mardi 20 décembre 2022

MIANTSO NY MPANJAKA SY IREO AMPANJAKA HAMONJY NY FIRENENA!

 FIVORIANA MIKASIKA NY FANDRIAMPAHALEMANA ETO MADAGASIKARA

Izay nokarakarain' ny Union Africaine (UA).


Manoloana ny Kolikoly avo lenta mihanaka ao amin' ny Fitondrana, ny Tsy Fanajana ny Zon' Olombelona, ny Tsy Fanajana ny Soatoavina Malagasy, ny Fifidianana Feno hosoka sy feno halabato, ny Fandrobana ny Harem-pirenena, ny Fanapotehina ny Tontolo Iainana, ary ny Fijaliana sy ny Fahantran' ny 81,6%  ny Vahoaka Malagasy,


Tonga nanatrika ny Fivoriana lehibe ireo Solontena avy amin' ny Hery velona rehetra eto amin' ny firenena sy avy amin' ny lafy valon' i Madagasikara :


Ny Mpanjaka sy ireo Solontena Raiamandreny ara-drazana, ireo Raiamandreny ara-panahy, ireo Mpitsara, ireo Manamboninahitra Jeneraly, ireo Solontena ny Fiaraha-monim-pirenena, ireo Solontena Fikambanana vehivavy sy Fikambanana Tanora, sy ny maro hafa.


NY VAHA-OLANA NIVOITRA: ... HO FANAJÀNA NY SOATOAVINA MALAGASY, MIANTSO NY MPANJAKA SY IREO AMPANJAKA RAIAMANDRENY ARA-DRAZANA HANDRAY NY ANDRAIKITRA HAMONJY NY FIRENENA!


DIA HO AN' I ZANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo Vohitra masina,

Taona Sabotsy, 14-15 Desambra 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara. 



Fanamarihana: Ny Firenena Mikambana (ONU) dia manaja ny Maha-Izy azy sy ny Soatoavina ary ny Kolotsaina ny firenena rehetra.

mercredi 11 mars 2020

NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA

FANAMBARANA :

Ny Prince Dr. NDRIANA RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan'Imerina, Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, dia manao Fanambarana fa ny Fifidianana rehetra nanomboka tamin' ny Taona 1958 ka mandraka ankehitriny 2020 dia feno hosoka sy halabato goavana.

Ary aoka izay ny Fanapotehina ny firenena sy ny fanjakazakan' ny vahiny mpanjanantany izay manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena, mpanota fady, tsy manaja ny Soatoavina malagasy, mpangalatra tany sy nosy, ary mpanototra tanimbary. 

Koa ny Fahatahorana an'Andriamanitra sy ny Fanajàna ny Soatovina malagasy irery ihany, amin' ny Fijoroan' ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA, no vaha-olana tokana ho Fampandrosoana indray ny firenena. Koa manainga ny Tia Tanindrazana rehetra hijoro hiaro ny Fahamarinana sy ny Tanindrazana !

"NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA"
(Ohabolana 14:34).

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-07 Marsa 2020.

Prince Dr. NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

jeudi 12 novembre 2015

FANAMBARANA: IREO NOSY REHETRA MANODIDINA AN' I MADAGASIKARA DIA AN' I MADAGASIKARA SY NY TOMPONTANY MALAGASY

FANAMBARANA MIKASIKA IREO NOSY MANODIDINA AN' I MADAGASIKARA:

NY FIOMBONAMBEN' NY ZANAKANDRIANA SY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA dia manao Fanambarana ary manamafy hatrany fa 

AN' I MADAGASIKARA SY NY TOMPONTANY MALAGASY EFA HATRAMIN' NY FAHAGOLA IREO NOSY MANODIDINA AN' I MADAGASIKARA(Juan de Nova, Europa, Bassa de India, Tromelin, Glorieuses, Diego Garcia, ets...).

Ary ny Didy N°34/91 nataon' ny Firenena Mikambana (United-Nations) tamin' ny Fivoriambe tamin'ny 12 Desambra 1979 dia manamafy fa an'i Madagasikara ireo Nosy rehetra manodidina an'i Madagasikara.

Koa mila mamerina haingana an'ireo Nosy, amin' i Madagasikara sy ny Malagasy, ireo rehetra ratsy fanahy mpangalatra Nosy, fa voazona kosa izay rehetra tsy mety mamerina izany.

"...FA NY RATSY FANAHY HOFONGORANA, FA IZAY MIANDRY AN' YHWH NO HANDOVA NY TANY." (Salamo 37:9).

Tany Masina i Madagasikara!


Antananarivo, Vohitra Masina, 12 Novambra 2015. 

Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Filohan' ny Fiombonamben'ny Zanakandriana sy Ampanjaka
eto Madagasikara.